Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Hira

๐Ÿ‘ค Reko โ€ข ๐ŸŽผ Hira โ€ข โฑ๏ธ 5:35
๐ŸŽต 1346 characters
โฑ๏ธ 5:35 duration
๐Ÿ†” ID: 11721727

๐Ÿ“œ Lyrics

Eh
Izaho ihany ilay omaly
Tsapako niha maivana aho
Rehefa nizara taminao
Nefa reko mbola marary
Tiako ho sitrana izao dia izao
Nefa tsy izay ngamba no ilaiko
Vohaiko ny foko
Na dia kely aza ny aiko
Hikiry aho hatoky
Ho bakoiko ny saiko
Mba hisy hira hira tsara indray
Hiarahako mihira
Amin'ireo miady toa ahy
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko
Tsy avelako ho faty
Fa ho kopahiko
Ataoko hira ho an'ireo miady toa ahy

Eh
Inty indray aho androany
Sarotra amiko ny mihetry
Izao somary mafy loha
Nefa na izany na tsy izany
Haiko hoe izaho no mila mianatra
Fa tsy ianao no mila miova
Be ny ambom-poko
Kanefa be ireo tsy haiko
Aoka re ny adisoako
Ho lesona ho ampitaiko
Mba hisy hira hira tsara indray
Hiarahako mihira
Amin'ireo miady toa ahy
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko
Tsy avelako ho faty
Fa ho kopahiko
Ataoko hira ho an'ireo miady toa ahy
Raha hiresaka amiko ny haintaina
Ampianaro aho hiaina
Aoka ny fahanginana hampianatra ahy
Hahalala ahy
Aoka ny fahelam-potoana
Hampianatra ahy haharitra foana foana
Aoka izay rehetra very
Hampianatra ahy fa ny ahy ny hany
Fananako dia ianao irery
Ireo sento toloko
Nanome hira ho hiraiko
Misaotra manaiky antsoiko
Na oviana ilaiko
Fa misy hira, hira tsara izao
Hiarahako mihira
Amin'izao tontolo izao
Raha mbola misy
Hazavana kely
Tsy avelako hofaty fa
Ataoko hira ho an'izao tontolo izao

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings