Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Zanako Vavy

๐Ÿ‘ค Mahaleo โ€ข ๐ŸŽผ Tadidiko (Madagascar) โ€ข โฑ๏ธ 5:12
๐ŸŽต 1393 characters
โฑ๏ธ 5:12 duration
๐Ÿ†” ID: 13043402

๐Ÿ“œ Lyrics

Handeha ianao ry zanako vavy
F'efa io ilay fanilon'ny andronao hoavy
Handeha ianao, andeha ka mahereza
Ny tokantranonao no iriko hateza

Ny masoko raha toa manganohano
Tsy tomanin'alahelo fa andon-tso-drano
Hifarana eto ny anay ny adidy
Lehibe ianao ka tompon-tsafidy

Handeha ianao lasan'iny olon'iny
Tsy fantam-pototra, mpandalo, mpivahiny
Handeha ianao, ianao r'ilay tsy sarako
Hanadino ahy, hanadino ny anarako

Aza mieritreritra fahasarotam-piaro
Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro
Fa izahay no tany naniriana
Mahararirary na tiana na tsy tiana

Andeha lala o o o andeha lala o
Mpindrana izahay fa tsy natao ho tompony
Andeha lala o o o andeha lala o
Ny mamy lasany fa ny anay dia ny fofony

Handeha ianao ry zanako vavy
F'efa io ilay hameno ny andronao hoavy
Handeha ianao, andeha ka matokia
Enga anie ka tsy ho sampona ny dia

Ny reninao aza avela hangina
Fa efa nisotro ny rano tsy tiana o o
Raha mibaliaka ny fitiavanao anio
Ireo nahary mba tsiditsidiho

Omeko anao ho anao ry tovolahy
Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy
Omeko anao f'izaho tsy ho sarotiny
Nefa mba amelao fitia potipotiny

Izahay tsy mitady valim-babena
Fa ny fitiavany no aza avela hihena
Fa raha tsy izany dia hahatsiaro ho kamboty
Toy ny mpamboly tsy afa-mioty

Andeha lala o o o andeha lala o
Voatery hangina na tsy mahafoy
Andeha lala o o o andeha lala o
Raha misy mahaory izy amin'izay no antsoy

โฑ๏ธ Synced Lyrics

[00:14.64] Handeha ianao ry zanako vavy
[00:21.54] F'efa io ilay fanilon'ny andronao hoavy
[00:28.82] Handeha ianao, andeha ka mahereza
[00:36.37] Ny tokantranonao no iriko hateza
[00:43.58] Ny masoko raha toa manganohano
[00:50.51] Tsy tomanin'alahelo fa andon-tso-drano
[00:58.44] Hifarana eto ny anay ny adidy
[01:05.31] Lehibe ianao ka tompon-tsafidy
[01:12.97] Handeha ianao lasan'iny olon'iny
[01:19.56] Tsy fantam-pototra, mpandalo, mpivahiny
[01:27.67] Handeha ianao, ianao r'ilay tsy sarako
[01:34.38] Hanadino ahy, hanadino ny anarako
[01:42.04] Aza mieritreritra fahasarotam-piaro
[01:49.11] Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro
[01:56.64] Fa izahay no tany naniriana
[02:03.90] Mahararirary na tiana na tsy tiana
[02:11.62] Andeha lala o o o andeha lala o
[02:19.04] Mpindrana izahay fa tsy natao ho tompony
[02:26.44] Andeha lala o o o andeha lala o
[02:33.64] Ny mamy lasany fa ny anay dia ny fofony
[02:41.11] Handeha ianao ry zanako vavy
[02:48.26] F'efa io ilay hameno ny andronao hoavy
[02:55.88] Handeha ianao, andeha ka matokia
[03:03.16] Enga anie ka tsy ho sampona ny dia
[03:10.90] Ny reninao aza avela hangina
[03:18.07] Fa efa nisotro ny rano tsy tiana o o
[03:25.45] Raha mibaliaka ny fitiavanao anio
[03:32.39] Ireo nahary mba tsiditsidiho
[03:40.14] Omeko anao ho anao ry tovolahy
[03:47.22] Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy
[03:55.02] Omeko anao f'izaho tsy ho sarotiny
[04:02.18] Nefa mba amelao fitia potipotiny
[04:09.67] Izahay tsy mitady valim-babena
[04:17.04] Fa ny fitiavany no aza avela hihena
[04:24.66] Fa raha tsy izany dia hahatsiaro ho kamboty
[04:31.65] Toy ny mpamboly tsy afa-mioty
[04:39.44] Andeha lala o o o andeha lala o
[04:46.71] Voatery hangina na tsy mahafoy
[04:54.37] Andeha lala o o o andeha lala o
[05:01.51] Raha misy mahaory izy amin'izay no antsoy
[05:06.53]

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings