Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Inay

๐Ÿ‘ค Tsiakoraka โ€ข ๐ŸŽผ Namana โ€ข โฑ๏ธ 3:55
๐ŸŽต 525 characters
โฑ๏ธ 3:55 duration
๐Ÿ†” ID: 14233718

๐Ÿ“œ Lyrics

Inay aho vorona iray, rehefa te handeha mikopaka dia izay
Tsy tana aho, tsy misy hahafehy,
Eny ambony eny dia afa-mihomehy

Inay aho zavona maraina, rehefa mahamay
Ny masoandro mila handoro ny aina,
Tsy ho hita aho, tsy ho tazana aho, f'efa dify aho

Inay aho mba zazakely ihany, rehefa noana ireny aho
D' izay vao mitomany, dia zaza aho, tena mbola adala aho
Tsy mba nahita akory, satria tsy nahalala

Tsy izany aho fa olona miaina, miloloha lanitra
Raha ory aho mahay mitaraina
Rehefa faly aho mahay mihomehy dia mihira aho

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings