Home 🎬 Bollywood 🎵 Pakistani 🎤 English Pop

Neny Tiako

👤 Bodo 🎼 Album 35ème ⏱️ 5:30
🎵 511 characters
⏱️ 5:30 duration
🆔 ID: 14233737

📜 Lyrics

Avia,Neny tiako
eto ampofoko.
Eto an-tsandriko ankavia
mba ho akaikin'ny foko.
Etsy,etsy ho esoriko
ireo volofotsy;
Hitantaràko angano ianao
sady arahiko rotsirotsy.

Ny adidy tsy efànao
mbola tianao hotohizana
Tsy mahatsiaro hasasàrana
tsy mahalàla vizana
Mihisakisaka,mila hotorovana
Ampy izay,
Ianao ilay niaro indray
no mba mila fiarovana

Avia Neny tiako
f'aza miahiahy
Ny ataoko anie
sombin'ny vitanao hatrizay
etsy hotatanako fa efa lànaka
Ny aina no.ny aina no matezà
f'hifampitaiza isika mianaka.

⭐ Rate These Lyrics

Average: 0.0/5 • 0 ratings