Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Tiako Ianao

๐Ÿ‘ค Ambondrona โ€ข ๐ŸŽผ Havaoziko โ€ข โฑ๏ธ 5:49
๐ŸŽต 920 characters
โฑ๏ธ 5:49 duration
๐Ÿ†” ID: 14998598

๐Ÿ“œ Lyrics

Marary ny aina tsy eo ianao
Nihafy aho, niharitra hatrany
Nafeniko ao anatiko ao mba ho ahy irery ihany
Tsy tanty ilay hoe tsisy anao
Na hiambo ary tsy haneho ny tomany
Tsy eken'ny saina anefa ny hiaina tsy hilaza an'izany
Te hiantso ny anaranao
Ary antenaiko fa mbola hiaino ahy ianao
Androany aho mba hamela ity foko hanambara Tsy aritro intsony
Tsy andriko ny hahita anao
Nanahy aho
Ka aleoko hijery ny any afara
TIAKO IANAO, tsy hiova, tsy hanary anao
M m m m m
Ekeko fa variana ihany aho
Indraindray toa tsy heno hatrany
Iriko mba ho tsapanao fa mandalo ihany izany
Hinoako anefa indray andro any
Ny hahita azy tsy anaty tomany
Ho fihiniko ary hanao izay mety aho
Ho azy irery ihany
Te hiantso ny anaranao
Ary antenaiko fa mbola hiaino ahy ianao
Androany aho mba hamela ity foko hanambara Tsy aritro intsony
Tsy andriko ny hahita anao
Nanahy aho
Ka aleoko hijery ny any afara
TIAKO IANAO, tsy hiova, tsy hanary anao

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings