Home 🎬 Bollywood 🎵 Pakistani 🎤 English Pop

Ambondrona

👤 Ambondrona 🎼 'Lay Tanàna ⏱️ 0:13
🎵 1141 characters
⏱️ 0:13 duration
🆔 ID: 20219134

📜 Lyrics

Toerana taloha nahitana ny hatanorana
Fonenana fahiny nandalovan'ny fahazazana
Toeran'ny fahendrena nitoeran' ny hadalana
Nahitana ny mangidy sy nahitana ny mamy

Nilalaovana fahiny (Ah ah)
Raha mbola tsy nanan-tsiny (Ah ah)
Nahalalana ny fitia
Taty aoriana, ary ankehitriny

(Tsy inona izany)
Fa ilay tanàna
(Atolotray 'ty vazo)
Ho an'ireo akama
(Sy ho an'ireo)
Izay hiaraka aminay
(Oh oh oh oh)

Tohatohatra lavabe izay mitondra ny anarany ihany
Misy vavam-biby iray raha midina ambanimbany

Nilalaovana fahiny (Ah ah)
Raha mbola tsy nanan-tsiny (Ah ah)
Nahalalana ny fitia
Taty aoriana ary ankehitriny

(Tsy inona izany)
Fa ilay tanàna
(Atolotray 'ty vazo)
Ho an'ireo akama
(Sy ho an'ireo)
Izay hiaraka aminay
(Oh oh oh oh)

(Ho anareo mpanotrona)
Na andro izao na mora
(Indreto izahay mivondrona)
Vazo ho an'Ambondrona
(Ilay) Tanàna nahabe
(Oh oh oh oh)

(Tsy inona izany)
Fa ilay tanàna
(Atolotray 'ty vazo)
Ho an'ireo akama
(Sy ho an'ireo)
Izay hiaraka aminay
(Oh oh oh oh)
Yeah

(Ho anareo mpanotrona)
Na andro izao na mora
(Indreto izahay mivondrona)
Vazo ho an'Ambondrona
(Ilay) Tanàna nahabe
(Oh oh oh oh)
Nahabe
(Oh oh oh oh)

⭐ Rate These Lyrics

Average: 0.0/5 • 0 ratings