Home 🎬 Bollywood 🎵 Pakistani 🎤 English Pop

Ampio Lasary

👤 Samoëla 🎼 Bandy Rangahy ⏱️ 5:29
🎵 994 characters
⏱️ 5:29 duration
🆔 ID: 7270126

📜 Lyrics

Ampio lasary kely aloha
Anamboarana fo, mila manadino an'iny aho
Fa aretin'andoha
Ampio lasary kely mitsy aloha ty
Sao manjary mandoa
Fa efa tena saika very
'Lay tia an'iny taloha
Sondriana tamin'iny aho
Saika tsy mety nifoha
Tena tary maivan-doha aho
Voarabireby tokoa
Ampio lasary kely mitsy aloha ty
'Zay vao tohizako indray eh
F'efa saika novadiako iny
Vao nadaboko indray
Nefa anaty verako ato
Toa mbola hitako indray eh
Saingy indrisy tato ho ato
'Lay angômana mamay eh
Nefa tsy hiverina any intsony aho
Ho adinoako ny fahiny
Na mahantra masikiny aho
Sanatria raha mbola iny eh
Ampio lasary indray aloha
Andaminana an'izany eh
Dia ampiana pako pako
Sy henabaolina iray
Fa isika indray mazaka jaly eh
Na misy ady mamay eh
F'aleo mintsy hidaboka any iny eh
Fa hitady hafa indray eh
Nefa anaty verako ato
Toa mbola hitako indray eh
Saingy indrisy tato ho ato
'Lay angômana mamay eh
Nefa tsy hiverina any intsony aho
Ho adinoako ny fahiny
Na mahantra masikiny aho
Sanatria raha mbola iny eh

⭐ Rate These Lyrics

Average: 0.0/5 • 0 ratings