Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Fitiavana Mamiratra

๐Ÿ‘ค Rija Ramanantoanina โ€ข ๐ŸŽผ Folo taona - Tantara Tsotra โ€ข โฑ๏ธ 3:54
๐ŸŽต 1081 characters
โฑ๏ธ 3:54 duration
๐Ÿ†” ID: 7433487

๐Ÿ“œ Lyrics

Niahotra ihany aho
Ny anoroka anao
Nanomboka nangovitra
Ny anaty manontolo
Nony akaiky ianao
Niezaka hiteny aho
Tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra
No sisa tazako

Nanantona ianao
Nanoroka ianao
Dia tsy tsaroako intsony
Ny amiko rehetra rehetra
Toa nanidina
Nanjavona teo izay nojereko
Ny masonao mamiratra
No nobanjiniko

Fotoana fohy, minitra fohy
Fa toa nijanona avokoa
Ny fiainan'ny tontolo
Nanaja antsika roa
Dia nofiko teo, nahoana moa
Natoky isika roa
Ny olombelona eto an-tany
Nofinofy antoandro
Tia tapaka teo ilay fotoana fohy
Ny masonao mamiratra
No indro tazako
Nofy hoy ianao, nefa hoy aho
Kisarisary matotra ato an-tsaiko
Tsy afaka intsony, ireo nofinao
Toa sary sy nofin'ny fo
Nindraminao mba hialo
Fitiavana mamiratra

Nangovitra ianao, nihovitra ianao
Fa gadon'ny efa vintako
Ilay nanovitrovitra anao
Mitovy ny antso anao
Tsy tapitra hatreo
Ilay fotoana fohy
Fitiavana mandrakizay
No miantomboka

Niahotra hany aho ny anoroka anao
Nanomboka nangovitra
Ny anaty manontolo
Nony akaiky ianao
Niezaka hiteny aho
Tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra
No nobanjiniko

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings