Home 🎬 Bollywood 🎵 Pakistani 🎤 English Pop

Handeha Isika Hody e - Rentrons À la Maison

👤 Erick Manana, Fenoamby, Justin Vali, Régis Gizavo & Dama 🎼 Madagascar All Stars ⏱️ 3:45
🎵 975 characters
⏱️ 3:45 duration
🆔 ID: 7433675

📜 Lyrics

Tsy fidiny aho, nandao ny morontsiraka
Ny fahoriana moa no mazaka maniraka
Nilaozako ny akany sy ireo hava-mamy
Nandaozako azy ireo, ranomaso sy tomany

I dada malala nitsodrano ahy
I neny tsy foiko e, nivavaka ho ahy
Izao tontolo izao nolalovako avokoa
F'ilay akany kely o no miraikitra ato am-po

Andeha tsika hody e, any aminay e

Ny ao an-tanana mahay mifankatia
Rehafa tonga vahiny, mifampindrana viliha
Eo an-tokotany be ireo ankizy no mandihy
Izahay sy zokinay milalao valiha

Rehefa anjaranay no mitoto vary
Ndre ry Bozy kely e no manao kivarivary
Izahay sy Beza kely maka kitay
Zarainay izay azo o fa efa fombanay

Andeha tsika hody e, any aminay e

Rehefa misy adiady ny ao an-tanana
Dia ny loholona no tompom-pahefana
Tsy mba misy fitoriana na hoe tribonaly
Fa vita am-pahendrena ny fiainana sosialy

Raha misy fahoriana na misy fifaliana
Dia miray hina fa iray fiaviana
Fa Malagasy Ray, Malagasy Reny
Manome haja ny zom-pirenena

Andeha tsika hody e, any aminay e

⏱️ Synced Lyrics

[00:08.84] Tsy fidiny aho, nandao ny morontsiraka
[00:12.55] Ny fahoriana moa no mazaka maniraka
[00:17.03] Nilaozako ny akany sy ireo hava-mamy
[00:21.36] Nandaozako azy ireo, ranomaso sy tomany
[00:26.13] I dada malala nitsodrano ahy
[00:30.62] I neny tsy foiko e, nivavaka ho ahy
[00:34.78] Izao tontolo izao nolalovako avokoa
[00:39.22] F'ilay akany kely o no miraikitra ato am-po
[00:43.51] Andeha tsika hody e, any aminay e
[01:18.41] Ny ao an-tanana mahay mifankatia
[01:22.25] Rehafa tonga vahiny, mifampindrana viliha
[01:27.02] Eo an-tokotany be ireo ankizy no mandihy
[01:31.59] Izahay sy zokinay milalao valiha
[01:35.28] Rehefa anjaranay no mitoto vary
[01:39.54] Ndre ry Bozy kely e no manao kivarivary
[01:43.35] Izahay sy Beza kely maka kitay
[01:48.53] Zarainay izay azo o fa efa fombanay
[01:52.54] Andeha tsika hody e, any aminay e
[02:28.53] Rehefa misy adiady ny ao an-tanana
[02:32.58] Dia ny loholona no tompom-pahefana
[02:36.55] Tsy mba misy fitoriana na hoe tribonaly
[02:41.29] Fa vita am-pahendrena ny fiainana sosialy
[02:45.14] Raha misy fahoriana na misy fifaliana
[02:48.88] Dia miray hina fa iray fiaviana
[02:52.94] Fa Malagasy Ray, Malagasy Reny
[02:58.24] Manome haja ny zom-pirenena
[03:02.37] Andeha tsika hody e, any aminay e
[03:20.28]

⭐ Rate These Lyrics

Average: 0.0/5 • 0 ratings