Home 🎬 Bollywood 🎡 Pakistani 🎀 English Pop

Hay Ve

πŸ‘€ Rija Ramanantoanina β€’ 🎼 20e Auditorium β€’ ⏱️ 7:08
🎡 1006 characters
⏱️ 7:08 duration
πŸ†” ID: 7433698

πŸ“œ Lyrics

Hay ve ka nisy raozy nokoloinao haniry tamiko
Fa ny foko no nandΓ  tsy hamokatra intsony
Nefa tsy kivy ianao
Hay koa ve nisy finiavana hikarakara taminao
Fa ny saiko no ninia tsy hahafantatra ireny
Fony naha teo anao

Fa lasa ianao vao tsapako
Nony indro ianao tsy tazako
Njay nilentika lalina am-poko ao
Lalim-paka ilay raozinao

Fa teo ianao tsy hitako,
Niteny ianao tsy reko koa
Taitra ianao ninia natory irery aho
Taitra avy eo aho nilaozanao

Raha mbola misy izay voatahiry tamiko ao anatinao
Ento ho ahy fa hokkoloiko ireo hiroborobo
Toy izay nataonao ahy
Raha mbola ao koa ilay teny hoe tia ambetin-dresakao
Ento aty f'izay vao fantatro
Ny tena heviny nolazainao taloha

Fa lasa ianao vao tsapako
Nony indro ianao tsy tazako
Njay nilentika lalina am-poko ao
Lalim-paka ilay raozinao
Fa dindo tsy hay kosehina ao
Am-poko ilay fitiavanao
Ka ny hany faniriako dia izao
Mandrakizay ho ahy ianao

Fa dindo tsy hay kosehina ao
Am-poko ilay fitiavanao
Ka ny hany faniriako dia izao
Mandrakizay ho ahy ianao

⭐ Rate These Lyrics

β˜†β˜†β˜†β˜†β˜†
Average: 0.0/5 β€’ 0 ratings