Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Miandry Foana

๐Ÿ‘ค Rija Ramanantoanina โ€ข ๐ŸŽผ Folo taona - Tantara Tsotra โ€ข โฑ๏ธ 4:12
๐ŸŽต 1233 characters
โฑ๏ธ 4:12 duration
๐Ÿ†” ID: 7434973

๐Ÿ“œ Lyrics

Nandrasako ho tonga maraina gina foana teo aho
Nandroso hisakafo aho ny atoandro nangina ilay seza
Niandry handondona ihany aho ny hariva nandini-baravarana
Tsy tonga ianao tsy tonga ianao nipitrapitra teo aho

Fetiko androany fetiko androany, dia tsy tsaroanao ve?
Sa ninianao hoadinoina tsotr'izao fa inona no antony?
Fandrao dia tsy tianao intsony aho tsy manahy lazao ahy
Fandrao dia tsy tianao intsony aho tsy manahy lazao ahy

Raha toa izany raha toa izany hivavaka aho ho antsika
Mahazoa zay rehetrarehetra mety ilaina ianao ny anjarako fa vita
Ny sombin'ny tsara azo avy amiko no iriko ho vimbininao
Ny soa sy ny tsara azo avy amiko no iriko
Ho tehirizinao

Antenaiko ho tonga rahariva ilay kintan-kely anjarako
Fa na handao aho izy ampitso inoako fa hipody indray
Tsy mba toa anao tsy mba toy ny anao manepoka tsy hita
Tsy tonga ianao rehefa tsy tonga ianao tsy hipitrapitra intsony aho

Tsy mba tonga ianao tsy mba tonga ianao manepoka tsy hita
Tsy tonga ianao rehefa tsy tonga ianao tsy hipitrapitra intsony aho

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings