Home 🎬 Bollywood 🎡 Pakistani 🎀 English Pop

Raha Maty Aho

πŸ‘€ Feo-Gasy β€’ 🎼 Ramano, Madagascar β€’ ⏱️ 5:44
🎡 1302 characters
⏱️ 5:44 duration
πŸ†” ID: 7435716

πŸ“œ Lyrics

Raha ho avy ralala ny taona hodiako
Ao ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy
Ka vato no ho solo-kidoro hatoriako
Dia izao re ny zavatra ataonao ahy:

- - -

Voleo voninkazo eo an-dohan'ny fasako
Fotsy sy mavo ary manga sy mena
Aleo haniry eo mandra-pifohako
Mba hanofisako ilay fanekena

- - - -

Ny fotsy: "fahadiovana"
Misy aminao tsy mba azo lotoina
Toy ny orimbato izay nifanaovana
Soratra velona tsy azo vonoina

- - -

Ny endriny mavo ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Mba hitsinjovany anao tsy ho irery
Hombany raha sendra tsy misy mpijery

- - -

Dia ny manga ho mariky ny fihafiana
Niaraha-niaritra zava-mangidy
Dia lay andro namoizana ilay hafaliana
Niaraha-niaritra zava-tsy fidiny

- - -

Ny mena ho taratry ny ny afo tsy maty
Mirehitra lava ao anatin'ny foko
Io lay fitia, fitia tena anaty
Fitia voa-kase sy voatomboka loko

- - -

Ny fasako ataovy ao andrefan-tanΓ na
Ataovy mikasika ny ila-kamory
Soraty eo ny tenin'ny fanantenana:
"Tsy maty aho akory fa mbola matory"

- - -

Ny moron'ny rano voleo volotara
Jerijereo fa aza avela ho maina
Tarafo eo aho fa ho tsinjonao tsara
Tsy miala eo aho raha tsy efa maraina

- - -

Na dia maty aza anie zany tenako be
Ka hiraraka an-tany ny ra ao am-poko
Ny fitiavako anao ka mipetraka anie e
Tsy mba ho maty ary tsy mba ho lo

⭐ Rate These Lyrics

β˜†β˜†β˜†β˜†β˜†
Average: 0.0/5 β€’ 0 ratings