Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Fefy Tsilo

๐Ÿ‘ค Mage 4 โ€ข ๐ŸŽผ XXV โ€ข โฑ๏ธ 5:39
๐ŸŽต 846 characters
โฑ๏ธ 5:39 duration
๐Ÿ†” ID: 7433423

๐Ÿ“œ Lyrics

Fefy tsilo tsy azo ihoarana
No miaro ny foko ao mba ho azy ihany
Ilay fitia izay nomeny ahy
Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray
Babony aho

Ny tenako tsy tiany ho very
Fa ho azy mandrakizay, ho doria
Ny fiainanay tsy tiany hisy fery
Fa hadio hatrany, lafatra

Fantany fa maro be ireo fakam-panahy (ho ahy)
Fahavalo n'inona n'inona antony

Fefy tsilo tsy azo ihoarana
No miaro ny foko ao mba ho azy ihany
Ilay fitia izay nomeny ahy
Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray
Babony aho

Ny fihaonanay omeny hafanana
Tsy tsaroako akory ilay masoandro, n'aiza n'aiza
Ny aizinay fenony hazavana
Hery iray namatotra ahy ny fitsiny

Zovy moa no tsy mahalala fa ny fitiavana
Tsy hananan-kavana n'inona antony

Fefy tsilo tsy azo ihoarana
No miaro ny foko ao mba ho azy ihany
Ilay fitia izay nomeny ahy
Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray
Babony aho

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings