Home ๐ŸŽฌ Bollywood ๐ŸŽต Pakistani ๐ŸŽค English Pop

Te Hiara Dia

๐Ÿ‘ค Mage 4 โ€ข ๐ŸŽผ XXV โ€ข โฑ๏ธ 5:29
๐ŸŽต 1180 characters
โฑ๏ธ 5:29 duration
๐Ÿ†” ID: 7436614

๐Ÿ“œ Lyrics

Rah' vahotra aho ela izay
Tsy niala ao anatiko ao
Ireo teny novolenao
Voafafinao hatrizay
'Lay irery aho tsy afa-nania
Satria tia te hiara-dia
Nafeniko anao ilay foko tia
Voafatotrao hatrizay
Niafina irery ho anao

Niafy aho tsy sahy aho ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsisy ohatranao raha ny ety
Feno fitiavana ao am-poko ao
Tsy misy toerana intsony
Rakotra tantely tsy hay hidirana
Itoeran'ny mamy ho anao

Toy ny masoandroko ianao
Tsy handao ny androm-piainako
Hery sy hafanana ho ahy
Osa aho raha lavitra anao
Manam-pinoana aho anio (manantena aho f'izao)
Fefy no iombonana (Ilay faniriana ho hatrizay)
Ilay fonao mamiko aty (Fantatrao fa)
Satria voaloham-pitia

Niafy aho tsy sahy ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsy misy ohatranao raha ny ety
Niafy aho tsy sahy ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsy misy ohatranao raha ny ety
(Instrumental)
Niafy aho tsy sahy ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsy misy ohatranao raha ny ety
Feno fitiavana ao am-poko ao
Tsy misy toerana intsony
Rakotra tantely tsy hay hidirana
Toerana mamy ho anao

โญ Rate These Lyrics

โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†โ˜†
Average: 0.0/5 โ€ข 0 ratings